<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Vahiny eto isika FFPM525</title>
<lyrics>[V1]
 Vahiny eto isika
 Ka monina amin-day,
 Mitady mba hahita
 Ny any amin-dRay ;
 Fa ao ny fanjakany
 Sy fiadanana,
 Ka ao tsy hita lany
 Ny fitiavana,
 Ao no fodiana,
 Mihaona ao ny mino,
 Ka tsy hisaraka.

[V2]
 Izay atý an-tany
 Dia mora tapitra,
 Fa ny tsy mety lany
 Dia ao an-danitra !
 Fa ao ny Tompontsika
 Izay nohomboana
 Mba hahazoantsika
 Ny fifaliana,
 Ao no fodiana, ..sns.

[V3]
 Manafotra ny tava
 Ny ranomaso be,
 Kanefa dia hisava,
 Fa hofafana e !
 Isika manantena
 Fa ny Mpampakatra
 Ho tonga mba hitsena
 Ny ampakarina.
 Ao no fodiana, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>525</hymn_number>
</song>